Taratry ny kanto

Ny 9 sy 10 ary 11 marsa 2024 izao no hankalazana ny Taom-baovao malagasy. Ho an’io taona mitsidika io, anisan’ny zava-dehibe sy manana ny lanjany ny fahafahan’ny tsirairay mankalaza izany isan-tokantrano, na faritra na toerana. Tsy vitsy rahateo ireo efa mahalala ny fomba tokony hotanterahina amin’izany : harendrina, afo tsy maty, fihinanana vary amin-dronono tondrahan-tantely…

Fetin’ny faran’ny taona. Tafaraka any Frantsa i Lilie, Goth, Luk ary i Felaniary. Fampiaraham-peo anisan’ny kanto. Io no anisan’ny nahafantaran’ny maro ny fiarahana eo amin’ireto mpanakanto ireto. Iraisana ny fahaiza-mifehy ilay feo sy ny hira malagasy fahiny sy ny hiran’ny omaly.

“Kanton’i Gasikara”. Misokatra manomboka anio hatramin’ny 30 desambra 2024, ny fampirantiana “Kanton’i Gasikara: manandratra ny vita malagasy”. Hetsika hanehoana sy hampahafantarana akanjo sy fianjaika, haify sy sakafo malagasy sy vita malagasy. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny varo-dranty .

“Projet Dihy”. Mitohy hatrany ny hetsika “Projet Dihy”, ho an’ireo maniry hisehatra sy ho matihanina eo amin’ny hira sy ny dihy.  Ny hira sy ny “Waacking” ary ny “Hip-Hop” indray no hameno izany mandritra ny hetsika atao eny amin’ny Maison sociale des arts d’Antananarivo, manomboka ny 10 janoary 2024.

Partager sur: