Anisan’ny hataon’ny filoha Rajoelina laharam-pahamehana, manomboka amin’io taona ho avy io, ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fampananana asa. Ho tohizana koa ny fanomezana titra tany (titre vert) ny tanora nahomby amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono. Ho lasan’izy ireo tanteraka ny tany afaka dimy taona raha mahomby.
Vita ny fanarenana ny lavadrano eny Ankatso I. Simba tamin’ny avrily 2023 ity fotodrafitrasa mandeha amin’ny milina ity, ka narenin’ny Jirama sy ny minisiteran’ny Rano. Hamatsy rano ny mpianatry ny Oniversite sy ny mponina manodidina ity fotodrafitrasa avy amin’ny lavadrano ity, izay mamoaka rano 5 m3 isan’ora.
Hialana tsikelikely ny fampiasana angovo avy any ambanin’ny tany, toy ny solika, ny entona gazy ary ny arintany. Izany no anisan’ny fifanarahana niraisan’ireo firenena nivory tany amin’ny Cop28, natao tany Dubai, Emirats Arabe-Unis, ny fiandohan’ny desambra teo. Tsy nisy resaka anefa ny hanafoanana tanteraka ny fampiasana ireo akora ireo.
Vita ny biraom-paritry ny Jono sy ny toekarena manga (DRPEB) ao Libanona, Taolagnaro, faritra Anôsy. Ahitana efitrano fiasana efatra ao ambany rihana, ary fonenan’ny talem-paritry ny DRPEB ny ao ambony. Hampazoto ny mpiasa ity birao vaovao ity, sady hanamora ny fikarakarana ireo manan-draharaha ao amin’ny biraom-paritry ny Jono any an-toerana koa.