Anjaramanantsoa Laza Fanambinana: “Fidiram-bola no maika amin’ny sosialim-bahoaka”

Anisan’ny ho vaindohan-draharahan’ny fitondram-panjakana amin’izao fe-potoam-piasana vaovao izao ny amin’ny maha olona. Inona no tena zava-dehibe maika? Maneho ny heviny ny olompirenena tsotra, maro anisa mangina, i Anjaramanantsoa Laza Fanambinana: “Tsy sakafo fotsiny no mahamaika amin’ny sosialim-bahoaka, fa ny fidiram-bola”. Fanehoan-kevitra…

Gazety Taratra (*): Inona no maika amin’ny hoe sosialim-bahoaka amin’izao?       

Anjaramanantsoa Laza Fanambinana (-): Ny sakafo aloha… Vonjimaika izay fa tsy hoe maharitra. Ny ezaka tena tokony hatao dia ny fananganana haingana araka izay azo atao orinasa handraisana mpiasa. Azo atao amin’ny faritra rehetra izany, ary misy toerana azo anaovana azy. Misy fotodrafitrasa maro azo atao, fa efa asa ny fananganana izany. Tsy sakafo fotsiny no mahamaika amin’ny sosialim-bahoaka, fa ny fidiram-bola. Tsy mety ny fanoloram-potsiny… Lasa misy tamana an’izany. Nefa tsy ho vita mandavantaona ny fanomezana fanampiana. Raha vita ny manao fotodrafitrasa hahazoana manao fitrandrahana sy famokarana, mba miova ao anatin’ny volana vitsivitsy ny fari-piainan’ny vahoaka. Raha hoe fampandrosoana, atao izay rehetra azo atao hampidirana olona hiasa: fanamboaran-dalana, fanodinam-bokatra…

* Ary inona no tokony hataon’ny vahoaka?

– Izay asa izay no tena olana… Tokony hisy rafitra hijerena ny hoe: inona no tokony ho vitan’iza? Misy olona tokony hiasa amin’ny fanaovan-trano, ohatra, fa mitomoe-poana noho ny hakamoana. Azo atao ny manome fanofanana hahazoana miasa avy hatrany, na tsy manana maripahaizana aza. Be dia be ny azo atao ahazoana mampivoatra ny fiainana, fa tsy miandry toloram-potsiny izay tena maro saika isaky ny fokontany na kartie. Efa mariky ny fahantrana izay. Nefa tsy maintsy miasa ny vahoaka. Raha hisy ny fanolorana fanomezana, fanofanana ny omena amin’ny sehatra maro: fanaovan-tsavony, ohatra, fambolena, fiompiana… Misy azo atao isam-paritra ny amin’izany, ary harahi-maso ny famokarana atao.

* Inona ny ankoatra an’izay?

– Ho an’ny fitondram-panjakana, tsara ny manome fanampiana ny vahoaka, fa ny famoronana asa amin’ny alalan’ny fanofanana amin’izay azo atao isam-paritra no tsara indrindra. Ho an’ny vahoaka, tsy miandry toloram-potsiny fa mitady izay fomba hampitomboana asa hahazoana mampitombo ny harinkarena. Eo koa ny fampivelarana ny tanàna amin’ny fanomezana tany ho an’izay afa-mamokatra.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: