Tafatsangana ny birao vaovao handrafitra ny sampana ao amin’ny faritra Boeny, taom-piasana 2024, ho an’ny fikambanana Autisme Madagascar. Hijoro tsy ho ela koa ny komitim-paritra hisehatra ho an’ny fahasalaman’ny saina sy ny olona tra-pahasembanana, izay hivondronan’ireo fikambanana, ONG ary sekoly mampiaty.
Mampahazo vahana ny mety fiforonan’ny afo sy ny fiparitahany ho an’ny faritra Melaky sy Menabe ary ny tapany atsimon’ny Nosy ny fironan’ny tomban’ny toetry ny andro, ho an’ny telo andro manaraka, araka ny fanazavan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro.
Tanterahina amin’ireo distrika mbola feno tazomoka ny hetsika fizarana fanafody faobe isorohana amin’ity aretina ity. Anisan’ny nanatanterahina izany ny tany Ambatomainty, faritra Melaky. Natao hiarovana ny ankizy 5 ka hatramin’ny 14 taona ny hetsika. Toraka izany ny tany Taolagnaro, faritra Anôsy, izay niarahana tamin’ny Unicef, PSI ary ny Asos.
Mifarana ny taona, fotoana izao hanaovana ny tombana ho an’ny isam-batan’olona, ahafahana mamaritra ny dingana vita sy izay vikina mbola hatao. Handinihana ny lesoka sy hakana bahana ahafahana manatanteraka ny vina vaovao. Tsy tokony handanilany foana na ho varimbariana amin’ny fety fotsiny fa maka fotoana handinihan-tena mihitsy.