Fisolokiana: olona  an’arivony lasibatra

Niteraka resabe tamin’ny tambajotran-tserasera sy teny anivon’ny fiarahamonina ny fikatonan’ny tranokalam-pifandrasaina manodim-bola iray, omaly.

Roboka tamin’ny fisiana tranokala iray milaza ho mpanodim-bola ny ankamaroan’ny tanora sy ireo maniry ny hampitombo vola vetivety. Mametraka vola anatin’ny tranokala  mpikirakira ny olona iray.  Manana rindrambaiko « logiciel » manokana misahana izany ilay tranokala. Tena nahasarika ny maro ilay famadihana ho vola vahiny ireo petra-bola  tao anatiny.

Toy ny vara-datsaka anefa, nanambara hatramin’ny eo anivon’ny zandarimaria, tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera, omaly, fa nikatona io tranokalam-pifandraisana manodim-bola io. An’arivony ireo lasibatra satria nametraka vola tao anatiny. « Iray volana sy tapany dia niverina ny volanay mivady saingy afaka enim-bolana vao azo alaina », hoy ny mpikirakira io tranokalam-pifandraisana manodim-bola io. Nahatsiaro tena ho voasoloky ireo rehetra nanodim-bola. Tsiahivina fa mahatratra 5 000 mahery ireo mpanaraka ny pejin’io tranokalam-panodinam-bola nikatona tampoka io. Etsy  ankilany, misy ny manambara fa manao fanavaozana « mis à jour » ny tranokala ny tomponandraikitra ka mila faharetana ho an’ireo mampiasa izany.  Manahy mafy ho very vola toy ny nanjo ireo tranokala hafa nikatona tampoka tamin’ny taon-dasa ireo voakasika.

Randria

Partager sur: