Lasan’ny jiolahy ny entana sarobidy rehetra tao amina tokantrano iray eny Anosibe Mandrangobato I, ny alahady alina teo. Lasa nandeha namonjy sasakalina tamina fiangonana iray eny amin’ny manodidina ny fianakaviana tompon-trano ka nanao ny nataony koa ny jiolahy. Tsy vitan’izay fa nalain’ireo olon-dratsy hatramin’ny vilany feno laoka hiatrehana ny fety ihany koa. Ranomaso ny an’ireo fianakaviana nahita ny trano efa nisokatra nony tafaverina avy any am-piangonana. Ireo entana tsy nilainy sisa no najanon’ireo mpamaky trano. Nisy nahatsikaritra ny sarety tanana iray nitatitra entana teo akaikin’ity trano ity, saingy tsy nanampo na inona na inona ireo nahita izany fa nihevitra ho toy ireny olona mifindra trano ireny. Aoka ho mailo hatrany, hoy ny mpitandro filaminana tonga nanao fanadihadiana.
J.C