Krismasy tao Toamasina: olona fito maty, 201 nandalo fizahana tao amin’ny Hopitalibe

Olona fito namoy ny ainy, raha 201 nandalo fizahana tao amin’ny Hopitalibe Toamasina, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy tao Toamasina. Nahazo vahana ny tsatok’antsy…

Niakatra ny tahan’ny olona nandalo fizaham-pahasalamana tao amin’ny sampana vonjitaitra ao amin’ny Hopitalibe Analankinina Toamasina, nandritra ny fetin’ny Krismasy teo. Tao anatin’ny efatr’andro, nahatratra 201 ny olona noraisina ka tsy maintsy nandalo fizaham-pahasalamana tao amin’ity sampana ity. Ny 136 tamin’ireo no tsy maintsy naiditra hopitaly mba hahafahana manara-maso ny toe-pahasalamany. Efatra kosa namoy ny ainy raha efa nisy olona telo hafa koa maty avy any ivelany ka naiditra tao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly. Nambaran’ireo mpitsabo ao amin’ny sampana vonjitaitra hatrany fa niakatra ny tahan’ny ratra vokatry ny tsatok’antsy sy ny adiady satria nahitana tranga 23 ny andron’ny 25 desambra 2023. Ny alin’ny 25 desambra ihany, olona sivy tratry ny fanapoizinana tamin’ny sakafo. Valo kosa ireo naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana sy fianjerana teny an-dalana. Nilamina amin’ny ankapobeny ny fety tao Toamasina fa samy nanao izay mety ny rehetra. Andrasana indray, araka izany, ny faran’ny taona sy ny fiandrasana ny taona vaovao 2024.

Sajo

Partager sur: