Nizara kilalao ho an’ny ankizy ny fikambanana Aro ny aina Côte d’Azur Madagascar. Hanolotra tantsoroka ho an’ny sahirana eny Ambohimirary kosa rahampitso.
Nizara kilalao ho an’ny ankizy sahirana eo anivon’ny Paroisse Notre Dame de Fatima Ambohimirary, Ampasampito, ny Association Aro ny aina Côte d’Azur Madagascar. Nitarika ny hetsika, natao ny faran’ny herinandro teo, ny pretra dehonianina mitantana ny fiangonana. Nanampy azy ny mompera Razafison Haja Éric Gérard sy masera Lydie izay mpikarakara ny sahirana ao an-toerana.
Fikambanana naorin’ny teratany malagasy monina any Frantsa, R. Jenny, entina hanampiana ireo ankizy sy ny ray aman-dreny sahirana eny amin’ny faritra Ambohimirary sy ny manodidina, sy ny kaominina Anjeva ny fikambanana.
Ankizy an-jatony no nahazo ny kilalao. Mbola hisy ny fizarana vatsy sakafo hoentina miara-mifety amin’ny fianakaviany. Hisitraka izany ny ray aman-dreny sahirana. Hatao rahampitso ny fizarana.
Manao antso avo
Ankoatra ny fizarana fanomezana sy tohana sakafo, manampy amin’ny fampidirana ny ankizy an-tsekoly miaraka amin’ny fampitaovana ny fikambanana, araka ny voalazan’ny mpanorina azy. Mitondra tantsoroka ho an’ny marary sy ny ankizy tratry ny tsy fanjarian-tsakafo. Mikarakara hetsika hahazoana vola any Frantsa ny fikambanana, hahazoana manao asa soa ho an’ny fokontany roa : Ambohimirary sy Anjeva.
Miantso ny malala-tanana ny fikambanana hanampy amin’ny asa ho amin’ny ho avy. Hetsika hiompana amin’ny fanabeazana sy fahasalamana ary fanampiana ny tanora hahaleo tena. Afaka misafidy ny sehatra ho tohanana ny tsirairay, indrindra ny fiantohana ankizy hiditra an-dakilasy satria ny fanabeazana no hitondra amin’ny fampandrosoana.
Vonjy