Vondrona IRD: hanolotra anarana praiminisitra miisa 3

Efa naneho fahavononana ny hanolotra anarana praiminisitra ny eo anivon’ny solombavambahoaka maro anisa IRD. Na izany aza anefa, mety tsy ho amin’izao no hanovana ny lehiben’ny governemanta.

Nambaran’ny filohan’ny vondrona parlemantera IRD, Velontsara Paul Bert, fa hanolotra anarana praiminisitra izy ireo, mialoha ny hanendren’ny filoham-pirenena ny ho lehiben’ny governemanta. “Tsy maintsy hajaina ny voalazan’ny Lalàmpanorenana ka hanolorana anarana roa na telo ho amin’izany toerana izany amin’ny fotoana mampety azy“, hoy izy. Nisafidy ny tsy mbola hanome ny anarana ny tenany.

Etsy andaniny anefa, mety mbola ho voatana amin’ny toerany ny praiminisitra Ntsay Christian ka hiandry ireo depiote vaovao ny hanolorana ny anarana ho lehiben’ny governemanta. Anjaran’ny filohan’ny Repoblika ny misafidy sy ny maka fanapahan-kevitra ny momba izany, araka ny voalazan’ny And.54 ao amin’ny Lalàmpanorenana. Tsy ho ato ho ato izany ny hanovana ny praiministra. Hiandry ny fifidianana depiote raha tokony ho tapitra amin’ny jolay 2024 ny fe-potoana  hiasan’izy ireo.

Disadisa anatiny

Tsiahivina fa tratry ny tsy fitovian-kevitra ny depiote anatin’ity vondrona parlemantera ity.  Disadisa nitarika ny sasany hanohana kandidà hafa tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Niaraha-nahita ny solombavambahoaka sasany lasa kandidà mihitsy. Manampy trotraka ny tsy fifankahazoana, tonga hatramin’ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta na tsy tanteraka aza izany.

Mety ho tonga amin’ny fandravana mialoha ny Antenimierampirenena ny raharaha. Hirosoana avy eo ny fifidianana depiote, telovolana aorian’izany, araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana. Afaka enim-bolana mahery any zany vao tena hiova tanteraka ny governemanta.

Synèse R.

Partager sur: