Mila fikarakarana ny mialoha sy mandritra ary ny aorian’ny fotoana iadivan’ny akoholahy mpiady iray. Ankoatra ny fahaizan’ny akoho miady, anisan’ny antoka mampandresy ny akoho ihany koa ny fikarakarana tomombana tsara.
Randriarimanga I. Mamy Michel, no anarany ary mpikarakara akoho ao amin’ny klioba Black List no andraikiny. Efa nolovainy avy amin’ny rainy ny fitiavana mampiady akoho, ary mipetraka ho fialamboly sy fahafinaretana ny fanaovana izany. « Vao telo taona monja aho dia efa nanaraka ny raiko nampiady akoho sy nijery azy mikarakara akoho. Nanoro sy nampianatra ihany koa izy ka lasa nankafy sy nanao ny nataony koa ny tena rehefa lehibe », hoy Randriarimanga I. Mamy Michel. Efa betsaka ny toerana nalehany noho ny fampiadiana sy ny resaka akoholahy mpiady. Anisan’izany ny tany Manakara, Toamasina, Mahajanga, Maevatanana, Ambondromamy sy ireo kianja fampiadina akoho eto Antananarivo sy ny manodidina.
Zava-dehibe ny fikarakarana ny akoho, indrindra ny akoholahy mpiady, mialoha sy aorian’ny ady hatrehiny. Raha ho an’ny mialohan’ny ady, anisan’ny tena manana ny lanjany ny fanomanana ara-batana sy ara-tsakafo ny akoho. Tombony ho an’ny akoholahy mpiady iray ny fahalavorariny ara-batana, raha oharina amin’ny mpifanandrina aminy. Anisan’ny hanombanana ny akoho iray sy miantoka ny mety ho fandreseny na tsia, ny helany sy ny vavany ary ny fantsiny. Ireo telo ireo, araka izany, no tena iseharan’ny mpikarakara mialoha ny ady. Anisan’izany ny fanjairana, izany hoe, fandrariana ny helatry ny akoho mpiady mba hirafitra tsara. « Mora mianjera ny akoholahy mpiady iray rehefa ratsy rary io helany io. Mitarika azy ho any amin’ny faharesena izany fianjerana izany voalohany indrindra, ary tsy ahafahany mitoraka fantsy araka ny tokony ho izy ihany koa izany », hoy ny mpikarakara akoho. Manaraka izany, anisan’ny andraikitry ny mpikarakara akoho ihany koa ny mampisakafo azy. Manan-danja ihany koa anefa izany noho ny tokony handanjalanjana tsara ny sakafon’akoho mba hahazoana ny toe-batana lafatra, ahafahany miady soa aman-tsara. Izany hoe, akoholahy maivana sy afaka manidina tsara, ahafahany mitoraka fantsy. Eo ihany koa ny hoe sakafo hampahatonga azy haharitra amin’ny ady hatrehiny.
Tsy mijanona eo anefa fa ilaina fikarakarana ihany koa ny akoholahy mpiady mandritra ny adiny. Ilaina traikefa sy fahaiza-manao ihany koa izany mba hahombiazana amin’izany ady izany. Anisan’izany ny fahafehezana ny famafazana ny rano mba hampavitrika sy hampahazo aina azy nefa tsy hampavesatra azy. Eo ihany koa, ny paikady madinidinika tokony hampiasain’ny « Joker », izay mpitondra ny akoho eo am-piadiana. Araka ny nambaran’ity mpikarakara akoho ity, mety hahatratra hatramin’ny adin’ny roa ny faharetan’ny adin’akoho iray, rehefa tena samy mahay miady sy samy tsara karakara ny akoho roa tonta ka ny fahaizan’ny « Joker » sisa no iankinan’ny fandresena.
Mitohy hatrany ny andraikitry ny mpikarakara akoho rehefa vita ny ady, ary eo no tena tsy azo atao antsirambina, satria iankinan’ny fahaveloman’ny ain’ilay akoho sy ny fahafahany hanohy hiady amin’ny fotoana manaraka. Fikarakarana atao vantany vao vita ny ady ny manadio ny ratra rehetra. Fafana ary sasana amin’ny rano mafana izany avy eo, araka ny nambaran-dRandriarimanga I. Mamy Michel. Karakaraina sahala amin’ireny olona maratra ireny mihitsy ny akoho avy niady aorian’izay. Maka aina, tsy mahazo miady mandritra ny 21 andro, aorian’ny niakarana kianja.
Efa mahazo vahana ny fampiadina akoho
Anisan’ny fialamboly maro mpankafy eto Madagasikara ny fampiadiana akoho. Taratra izany amin’ny fisian’ny kianja fampiadina akoho eny rehetra eny, ary tena mahavory olona maro tokoa izany, isaky ny faran’ny herinandro. Misy aza ireo manao azy ho anto-pivelomana. Ao ireo mivelona amin’ny fikarakarana akoho mpiady, misy ireo mivelona amin’ny fiompiana sy famokarana akoholahy mpiady ka mivarotra izany avy eo. Misy ny manana fahaizana manokana amin’ny fanaovana ny « Joker » ary misy ireo miloka fotsiny. Raha ny nambaran’ity mpikarakara akoho ity, mety ho tafakatra hatrany amin’ny 8 tapitrisa Ariary ny vidin’ny akoholahy mpiady iray. Raha ho an’ny loka kosa mety ho tonga hatrany amin’ny 150 Tapitrisa izany rehefa tena ady goavana. Ny vanim-potoan’ny ririnina, izany hoe, ny volana jona hatramin’ny oktobra no tena tsara hampiadiana akoho. Eo ihany koa ny tena mampiroborobo sy mahamaro ny mpampiady akoho. Tsara vatana sy ampy hery entina miady kokoa mantsy ny akoho amin’io fotoana io, raha oharina amin’ny vanim-potoana hafa.

Lin





