Nanomboka tamin’ny fankalazana ny fetin’ny Noely hatramin’izao. Nahitam-pitomboany ny trangana aretin-kibo sy fivalanana teny anivon’ny toeram-pitsaboana. Noho ny tsy fitandremana eo amin’ny sakafo no anisan’ny antony mahatonga izany, hoy ny mpitsabo.
Niha nirongatra ny aretin-kibo sy ny fivalanana eo amin’ny ankizy sy ny olon-dehibe, indrindra amin’ny fotoanan’ny fety toy izao. Tratry ny aretin-kibo avokoa ny 50% amin’ny olona tonga manatona mpitsabo tato ho ato, raha ny tatitra voaray teo amin’ny toeram-pitsaboana iray etsy 67 ha. Anisan’ny mahatonga izany ny fiovan’ny sakafo hanin’ny olona rehefa fotoanan’ny fety. Matetika lasa voky loatra ihany koa ny olona rehefa fety. Lasa hohanina indray miaraka avokoa ny karazan-tsakafo maro samihafa. Raha toa ka indray na indroa ihany ny olona no misakafo andavanandro. Tampoka be ho an’ny vavony sy ny tsinay izany ka lasa miteraka aretin-kibo sy vavony, raha ny fanazavan’ny mpitsabo. Ankoatra izay, tsy azo antoka ihany koa ny fahadiovan’ny sakafo sy ny rano fisotro. Tsara hampangotrahana ny rano vao sotroina.
Ho fisorohana ny aretina, atao madio tsara, jerena ihany koa ny kalitaon’ny sakafo hohanina. Matetika teren’ny tsy fananana ny olona ka lasa mividy sakafo mora sy lany daty eny an-tsena, raha ny zava-misy. Mila atao masaka tsara ihany koa ny sakafo vao hohanina. Ialana ny fampiasana ny menaka efa avy nanendasana. Notsindrin’ny mpitsabo hatrany fa mila fahamailoana ny fihinanana “mayonnaise”. Amin’ny ankapobeny, tsy voafehin’ny olona ny fanamboarana azy ireny ka lasa miteraka aretina ho an’ny rehetra.
Mila soloina ny rano very noho ny aretina
Zava-doza, indrindra ho an’ny olombelona, ny tsy fahampian-drano rehefa tratry ny aretim-pivalanana. “Tsy maty ny olona iray tratry ny aretim-pivalanana raha toa ka voasolo ny rano very aminy”, hoy ny Dr Rakotonindrina Norbert, mpitsabo etsy 67ha. Nilaza izy fa vahaolana tsara indrindra ny fanomezana “iray sy valo” ny olona marary. Efa misy vita sy vidiana eny amin’ny “pharmacie”. Atao anaty rano 1l ny “sachet” iray. Sotroina tsikelikely izany, mandritra ny andro. Afaka manamboatra ihany koa ny ao an-trano. Maka rano 1l, asiana sira 1sotrokely safovavany. Miampy siramamy imbalon’ny sotrokely safovavany ary voasary makirana antsasany. Afangaro ireo ary sotroina mandra-paharivan’ny andro. Tsy asiana siramamy ho an’ny olona misy diabeta. Tsy asiana sira kosa ho an’ny olona misy tosidra. “Hirarina ny mba ho fety hitondra hafaliana ho an’ny tsirairay fa tsy aretina ny fitsenana ny taona vaovao”, hoy hatrany izy.
MIno