Nanao asa sosialy ho an’ny mpiray Tanindrazana teto an-toerana ny fikambanan’ny zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa (FIZAFAFI Tanora), omaly. Nisitraka izany ireo mpianatra mianatra eto An-drenivohitra tsy tafody any amin’ny faritany niaviany ka mijanona manao fety eto an-toerana. Tanjon’ny fikambanana ny hampanjaka ny firaisan-kina ao anatin’ny faritanin’ny Fianarantsoa. “Midika fa manome tanana ny filoham-pirenena ny fikambanana amin’ny fanaovana asa sosialy”, hoy ny sekretera jeneralin’ny fikambanana, Rafirariantsoa Obstère Marcel. Nilaza izy fa tafiditra ao anatin’ny vina voalohan’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, izany ka raisina avy hatrany ny andraikitra.
Fikambanana manamora ny fampandrosoana
Natsangana ny fikambanana teo anivon’ny faritra mba hitondrana fampandrosoana any amin’iny faritany iny. Nilaza izy ireo fa hanamora ny fahatongavana amin’izany ny fifankatiavana sy ny firaisan-kina, ijoroan’ny fikambanana, izay manodidina ny 82% hatao any amin’iny faritra iny. Marihina fa ray mpiahy ny fikambanana Rabemananjara Nicolas. Filoham-boninahitra kosa Razanamahasoa Christine. Rafitra “collégial”, misy filoha enina ary iray isam-paritra ny birao nasionaly. Tsy mifarana hatreo fa mbola hitohy hatrany amin’ny fonjan’Antanimora indray ny asa sosialy manaraka, raha ny tatitra voaray hatrany.
Mino