Kardinaly Tsarahazana Desiré : “Aoka tena hiova ka hanao ny marina isika”

Niarahaba sy nirary soa ny vahoaka sy ny kristianina ny kardinaly Tsarahazana Desiré, amin’izao fiandohan’ ny taona izao. Nambarany fa tokony harahana fibebahana ny firariantsoa ny taona vaovao. “Aoka tena hiova marina ka hiady amin’ny kolikoly, hanao ny fahamarinana. Hiady amin’ ny fitiavan-tena sy ny fihatsaram-belatsihy ary hanana finiavana hampandroso ny firenena sy ny vahoaka”, hoy izy.
Nohamafisiny fa tsy tokony hatakalo vola sy harena na hitakina tambiny ny fanompoana ny tanindrazana. “Aoka tsy hanao politika mba hananana harena malaky”, hoy hatrany izy.
Etsy andaniny, niaiky ny tenany fa maro anisa ny kristianina eo amin’ny sehatra rehetra eto amintsika. Ahitana azy ireo ny lafiny politika sy ny toekarena ary ny sosialy. Nametra-panontaniana anefa ny kardinaly Tsarahazana Désiré, manoloana izany. “Maninona isika no mikorosy fahana sy mahantra nefa milomano anaty harena?”, hoy izy.
Notsiahiviny fa ireo firenena manodidina resintsika fahiny aza efa lasa nandresy an­tsika ankehitriny eo amin’ny lafiny rehetra. “Misy tsy mandeha amin’ny laoniny ao”, hoy ihany izy.
Nanentana ny rehetra izy mba hijery akaiky ny fijalian’ny vahoaka. Indrindra ny fanararaotan’ ny sasany ireo marefo sy sahirana. “Natao hanompo ny madinika ireo vato nasondrotry ny tany. Aoka mba handresy ny ratsy amin’ny fanaovana ny tsara ireo mpitantana isan-tokony ary hanjaka ny fandriampahalemana”, hoy izy namarana ny fanambarany.

Synèse R.

Partager sur: