Rivodoza Alvaro : niditra an-tanety halina tao Morombe

Vao miandoha ny taona dia sedrain’ny rivodoza sahady ny tapany andrefan’ny Nosy. Rivodoza voalohany i Alvaro niforona ao amin’ny lakandranon’i Mozambika.

Nitombo hery, lasa rivo-doza mahery voalohany ho an’ny taom-pahavaratra 2023-2024 i Alvaro, izay niforona ao amin’ny lakan­dranon’i Mozambika. Na­hazo anarana izy ny faran’ny taona tamin’ny 4 ora. Omaly hariva tamin’ny 5 ora ora, tany amin’ny 51 km avaratra an­drefan’I Morombe no nisy ny foibeny. Mikisaka miantsinanana somary atsimo atsinanana, mahafaka 15 km isan’ora. Niakatra ho 100 km isan’ora ny rivotra entiny arahina tafiotra 140 km isan’ora manakaiky ny foibeny, araka ny fanazavan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly.
Vinavinaina ho niditra an-tanety eo amin’ny ditrikan’ Ihorombe, ny ivony eo anelanelan’ny amin’ny 6 ora hariva sy 9 ora alina. Tombanana hitondra tafiotra manodidina ny 90 hatramin’ny 120 km isan’ ora i Alvaro amin’ny fidirany eto Madagasikara. Efa mikasika ny morontsirak’i Menabe sy Atsimo Andrefana ny rahona mialoha azy. Nahazo filazana loza mitatao miloko mena ny distrak’i Morondava, Manja, Morombe Ary Toliara I-II. Loza manambana miloko mavo ho an’ny distrikan’i Mahabo, Beroroha, Ankazoabo Ary Sakaraha.
Iangaviana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Maintirano sy Toliara tsy hiandriaka mandrapahalasan’ny loza tanteraka. Entanina ny re­hetra mba hanaraka mandrakariva ny toromarika homen’ny manam-pahefana isan-tokony.
Roa…
Nampahafantatra ireo fe­pe­tra tokony horaisina mandritra ny fandalovan’ny rivodoza ny foibe famantarana ny toetry ny andro amin’ny sokajin’ny filazana efatra.

Vinavinaina hifanakaiky na ho latsaka ny tokony ho izy ny vanim-potoanan’ny rivo-doza eto Madagasikara amin’ity taona 2023/2024 ity. Isan-taona, manodidina ny efatra ny isan’ireo rivodoza mihaodihaody an’i Madagasikara ary manodidina ny roa no miditra an-tanety.

Vonjy A.

Partager sur: