SBG – Lydie Ratefiarison : « Hanamarika ny taona 2024 ny Redombe… »

Velona sy miaina ny Sehatra BaGasy. Nisy ny asa vita teo aloha, hotohizana izy ireny. Ao koa ireo mbola hotontosaina amin’ity taona 2024 ity.

Hetsika telo lehibe no anisan’ny hanamarika ity taona 2024 ity ho an’ny Sehatra BaGasy (SBG), raha ny fanazavan’i Lydie Ratefiarison, filohan’ny fikambanana. Ao ny «Redombe bagasy», fampisehoana lehibe hotontosain’ny mpikambana Sehatra BaGasy miaraka amin’ireo tarika fanta-daza amin’io ngadon-kira io. Ho­hiraina amin’izany ireo hira mitety taona, na tao anatin’ny teatra na an-dapihazo tsotra, nokaloina teo anelanelan’ny taona 1900 ka hatramin’ny taona 1960. Ny «Amboaran-kira fahatsiarovana», fampisehoana hanamarihina ny faha­tsiarovana ireo mpikambana efa nodimandry. Fahatelo, fanohizana ny fifaninanan-kira «Tsara hira tsara mozika». Nambaran’i Lydie Ratefiarison fa : «efa voarindra sy voalamina ny taona 2024 SBG koa miandry ny mpikambana sy izay rehetra liana ho tonga eny Amin’ny IKM Antsaha­vola, ny sabotsy 3 febroary izao, ho fihaonana voalohany amin’ity taona vaovao ity».

Fifaneraserana sy ny fifanakalozana
Taona 2023, nahatontosa hetsika mafonja ny Sehatra BaGasy. Samy hotohizana avokoa ireny amin’ity taona 2024 ity. «Atrikefa» nitondran’ireo mpahay tantara, mpanakanto, mpikaroka, mpitendry zavamaneno ny traikefany tao anatin’ny famelabelarana lohahevitra samihafa,
«Zarasehatra bagasy», nahitana ny fampisehoana notontosain’ny tarika Voa­maintilany, Aro Kanton’ny Fahiny, M’Iray Kalo, Tsi-Ahy, Rantsana Fanantenana FJKM Mahazoarivo, R’Imbosa
«Sehatra malalaka», an­draisan’ireo mpanatrika anjara tamin’ny alalan’ny hira sy fitendrena.
Fifaninanan-kira «Tsara hira tsara mozika», nandrai­san’ny mpifaninana tsy mifidy taona, tarika na olon-tsotra, anjara. Fanolorana takela-pahatsiarovana ho an’ireo mpikambana mankalaza ny taon-jobily nihirany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: