Hosoloina ny fantson-drano eto an-drenivohitra, izay efa antitra sy simba ny ankamaroany. Io no anisan’ny fanambin’ny filoha Rajoelina, hamahana ny tsy fahampian’ny famatsian-drano, saika manerana ny toerana maro eto Antananarivo sy ny manodidina amin’ny atoandro sy ny alina.
Tapaka ny lalam-pirenena RN4, ny 28 desambra hatramin’ny 4 janoary izao, manomboka amin’ny 10 ora alina hatramin’ny 4 ora maraina. Voakasik’izany eo amin’ny tetezana Antsevabe (PK 43+200) sy Antanambao Andranolava (PK 498+400) ary Mangapaika (PK 505). Antony, misy mangalatra ireo tsivalam-by sy vy arofanina.
Nahatratra 735 kg ny masomboly vary nozarain’ny minisiteran’ny Fambolena (Minae) ho an’ny tantsaha miisa 49 any amin’ny kaominia Belobaka, distrika Mahajanga II, faritra Boeny, ny 30 desambra 2023 teo. Niampy zezika NPK 1 225 kg sy zezika biolojika 6 125 kg ihany koa ireo, hoentina hiatrika ny taom-pambolena 2024.
Mahatratra hatrany amin’ny 18 tapitrisa livres Sterling ny totalim-bokatra naondran’i Royaume Uni eto Madagasikara nandritra ny enim-bolana faharoa ny taona 2022 sy ny telo volana voalohan’ny taona 2023. Tafakatra hatrany amin’ny 47 tapitrisa livres sterling kosa ireo vokatra malagasy naondrana any an-toerana nandritra ireo vanim-potoana ireo.