HJRA : 2 maty, 228 nizaha fahasalamana

Nitombo 228 ny olona tonga nozaham-pahasalamana teny amin’ny hopitaly HJRA, nandritra ny fetin’ny faran’ny taona sy ny andron’ny taombaovao. Ho an’ny sampana vonjy aina manokana, tsy maintsy nampidirina hopitaly ny 46 tamin’izy ireo. 2 kosa ny maty. Roa ihany koa ireo razana avy any ivelany nalefa teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly. “Ny faharatrana tsy ampoizina teny anivon’ny fiarahamonina sy ny lozam-pifamoivoizana no tena antony nahatonga ny ankamaroan’ny olona nandalo teny anivon’ny hopitaly”, hoy Ratolojanaharimanana Philibert Alexandre, tomponandraikitra eo anivon’ny hopitaly. Ankoatra ireo, nisy ny narary noho ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola be loatra.

Fanapoizinana ara-tsakafo
Ankoatra izay, lehilahy iray nikasa hamono tena tamin’ny voalohan’ny taona. Roa hafa narary vokatry ny fanapoizinana ara-tsakafo. Isan-taona, maro ireo olona manatona toeram-pitsaboana mandritra sy aorian’ny fety. Vokatry ny tsy fahazakana na fanapoizinana ny hanina nohanina izany.
Nahitana fihenana kosa izany tamin’ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona sy ny voalohan’ny taona teo, raha ny fanazavana. Nisy ny fitandremana nataon’ny olona tsirairay sy ny tokantrano ka antony nampihena ny tranga.

Mino

Partager sur: