Fahataran’ny karama – Antenimierandoholona: nampikatsoan’ny mpiasa ny fandinihana ny tetibola

Resa-bola ! Tsy tanteraka hatramin’ny omaly tolakandro ny fandinihan’ireo loholona ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2023 noho ny fitokonan’NY mpiasa.

Nitokona tsy nety nanatanteraka ny asany ireo mpiasan’ny Ante­nimierandoholona, etsy Anosy, omaly. “Tsy mbola nandray ny karama izahay raha efa nahazatra ny fahazoana izany isaky ny faha-25 amin’ny volana itsahina”, hoy izy ireo. Nanterin’ireo mpiasa fa efa nanao ny dingana rehetra sy ny fihaonana amin’ny filohan’ ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana izy. Tsy nahitam-bokany anefa izany ka izao tonga amin’ny fitokonana izao ny raharaha. Nohitsin’ireo mpiasa fa tsy hiasa izy ireo raha tsy tonga any amin’ny kaontin’ny mpiasa izany vola karama izany. “Miverina eto isika ny alatsinainy ahitana ny tohiny. Vo­nona ny hanatanteraka ny asa izahay rehefa voarainay izany vola izany”, hoy ihany izy ireo.

Tafiditry ny resaka politika

Niditra an-tsehatra nanelanelana sy nitady vahaolana ny sasany amin’ireo loholona ary nilaza fa tafiditry ny resaka politika izao hetsika izao. Nihorakorahan’ireo mpiasa anefa izany fanehoan-kevitra izany. Nambaran’ny solontenan’ity Andrimpanjakana ity fa zon’ny mpiasa ny mitokona, saingy tokony hojerena ny tombontsoa ambonin’ny firenena ary tsy sakana amin’ny fampandehanana ny raharaha izany. “Anatin’ny fandinihana ny tetibolam-panjakana izao izahay ka aoka tsy hosaka­nana ireo vonona ny hiasa”, hoy ihany izany solontenan’ny loholona izany. Tsy nanaiky izany anefa ireo mpiasa.
Nitohy tamin’ny fihaonana amin’ny minisitry ny Toe­karena sy ny fitantanam-bola izany avy eo ka andrasana ny mety ho tohiny.

Synèse R.

Partager sur: