Sendikàn’ny mpirakidraharaha : “Tsy mpiasa an-tranon’ny minisiteran’ny Fitsarana izahay”

Mbola ady tsy vita? Na tantara mitohy ny amin’ny fahatapahana karaman’ireo mpirakidraharaha 56… “Tsy mpiasa an-trano izahay mpirakidraharaha fa nanao fifaninanana ara-dalàna, ary nahavita fianarana ny ankamaroanay, nandalo fianarana asa…”, hoy ny filohan’ny Sen­dikàn’ny mpirakidraharaha eto Madagasikara (SGM), Randriamaharo Alain Michel, afakomaly, manoloana ny fanamarinan’ny depioten’i Soalala fa ara-dalàna ny fanapahan’ny minisiteran’ny Fi­tsarana ny karaman’izy ireo.

Tsy izany no ilazana ary ireo hoe mpiasa an-tranon’ny minisiteran’ny Fitsarana. Raha lazaina fa rariny ny fanapahana karama, milaza ny lalàna fa na dimy andro aza, ohatra, no niasana tao anatiny dia andraisana karama feno. Efa niasa izy ireo ny 2 hatramin’ny 11 novambra izay nanapahana karama, ary mbola miasa izy ireo hatra­min’izao. Tokony homena ny karaman’izy ireo amin’izany.

Raha lazaina fa tsy miasa izy ireo fa nandao ny toeram-piasana, zo voalazan’ny lalàna ny fanaovana fitokonana. Raha ny fiandrasan-draharaha no nanenjehana azy ireo fa tsy natao, voalaza fa maro ireo mpirakidraharaha tsy nana­raka ny fitokonana fa niasa. Nisy koa ny teny mita navoaka, ary nandeha ny asa teny amin’ ny fitsarana. Koa fiandrasan-draharaha inona no mbola karohina ankoatra an’izay? Efa mihoatra no ho ny asa farafahakeliny tokony hatao izany. Mpisolovava ny vahoaka ny solombavambahoaka, fa tsy mpisolovava ny minisitry ny Fitsarana, araka ny nambarany.

R. Nd.

Partager sur: