Matsilo: “Sarotra ny hiatrehan’ny fitondrana ny fahasahiranam-bahoaka”

“Ny fahitako azy, sarotra dia sarotra ny hahazoan’ny fitondram-panjakana hiatrika ny fahasahiranam-bahoaka: ny jiro tapaka, ny rano tsy misy… Ain-dehibe iankinan’ny fiainana avokoa izany”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Matsilo, Randrianai­voarivony Jeannot. Tsy afa-misaraka amin’ny fanatsarana ny fihariana sy ny toekaren’ny firenena ny fiainana sosialy. Ny dikan’izany: tsy maintsy mampihatra politikam-panjakana matanjaka haingana ao anatin’ny fotoana fohy, hahazoana manatsara ny toekarena. Ny fanondrotana ny sandan’ny ariary no ahazoana miantoka an’izay fifantohana amin’ny sosialy izay.
Toerana politika ny governemanta. Tsy maintsy politika fampandrosoana no voalohany, fa tsy politika politisianina. Miara-dalana amin’izany ny teknisianina amin’ny fitantanana ny firenena, indrindra fa ny fanarenana ao anatin’ny fotoana fohy. Raha tsy manana fahamarinan-toerana politika ny fanjakana mijoro, tsy ho tanteraka ny fanarenana tian-katao. Manana an’izay ny fanjakana amin’izao?

R. Nd.

Partager sur: