Fanamafisan’ny eveka : “Tsy mitsodrano fahotana velively ny Eglizy”

Nanamafy ny nambaran’ny papa Fransoa ny eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), omaly. Lohatenin’ny hafatra : “Mankahala ny fahotana ny Andriamanintsika fa tia ny mpanota ary maniry ny hibebahany”.

Notsiahivin’ireo eveka teo am-piandohana ny voalazan’ny soratra Masina : “Izaho koa tsy manameloka anao. Mandehana ka aza manota intsony” (Joany 8,11). Nampitain’izy ireo amin’ny mpiray tanindrazana sy ny kristianina katolika izany.
Navoitran’ny eveka fa tsy midika ho fanekena ny fiarahan’ireo mitovy taovam-pananahana ny tsodrano omena azy ireo, ao anatin’ny toe-pahotana. Nohamafisin’ izy ireo fa ny olona no tsofin-drano fa tsy ny fiarahana ataony ivelan’ny fanambadiana ara-dalàna. Tsy ny fiarahan’izy ireo no tsofina rano fa ny olona tsirairay mba hivoahany tsikelikely homban’ny fahasoavan’Andriamanitra amin’ny fomba fiarahany, tsy mamaly ny laha-janahary ho an’ny olombelona. “Tsy mitsodrano fahotana velively ny Eglizy, fa manome ny tsodranon’Andriamanitra ho an’ny mpanota mba hizorany amin’ny lalam-pibebahana ka ahazoany famonjena”, hoy ireo eveka.

Tsy hisy velively

Nohamafisin’izy ireo fa tsy hisy na oviana na oviana ny tsodrano hanamafisana orina na hilazana ny fankatoavana ny fiarahan’ny mitovy fananahana.
Nanao antso avo ny eveka mba tsy ho mpanaraka ny rivotry ny fiainana fotsiny ny tanora. “Tsy mety sy mendrika avokoa akory ny ataon’ny hafa. Aza sondriana amin’ny anio ihany fa mahaiza mitsinjo ny ho avy. Mangataha torohevitra amin’ireo ray aman-dreny na koa raiamandreny am-panahy isika tanora”, hoy ny eveka.
Niantso ny rehetra tsy hisendaotra amin’ny fanenjehana sy fanaratsiana noho ny fampianaram-pinoana koa ny eveka.

Synèse R.

Partager sur: