VONO OLONA TAO Valpinson : Navotsotry ny fitsarana ireo voalaza fa jiolahy

Niakatra teny amin’ny fitsarana ady heloka bevava, ny 21 desambra 2023, ny raharaha fanafihana mitam-piadiana tao Valpinson Toamasina. Vola 6 tapitrisa Ar no very tamina trangana fanafihan-jiolahy, ny 19 janoary 2023. Nanao fanarahan-dia ny polisin’ny Fip taorian’ny fanafihana. Vokany, voasambotra ry Razafin­drakoto Be Nestor sy ny namany, araka ny voarakitra ao anatin’ny antontan-taratasin’ady laharana faha 185-Toa/23-1199-RP/23. Vonoan’ olona efa nomanina, firaisana tsikombakomba, fampiasana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalana ny vesatra hiampangana ireto efa-dahy voampanga. Anko­atra ity laharana antontan-taratasin’ady ity, mbola misy antontan-taratasin’ady roa hafa nitsarana ireto jiolahy ireto teo anoloan’ny fitsarana ambony dia ny laharana faha 184-Toa/23-1140-RP/23 sy ny 186-Toa/23-1393-RP/23. Naharitra adim-pamantaranandro 10 ora ny fifandaharana ka nohafahana noho ny fisalasalana ireo voampanga.

Ranomaso ny an’ireo fianakaviana…
Nitsotra rahateo ny mpitory fa zana-drahalahin’ny maty ihany no nahavanon-doza sy atidohan’ny fanafihana. Nana­mafy izany koa ny firaketana teny amin’ny famotorana nataon’ireo vavolombelona. Nanao izay ho afany tamin’ny fiarovana ireo voampanga kosa ny mpisolovava. Nila­tsaka ny didy ka afaka izy rehetra. Tsiahivina fa nisy nanafika teo amin’ny sampanan-dalana Valpinson ny raim-pianakaviana iray nandeha moto avy naka vola tany amin’ny Canal plus. Haterina any amin’ny kioska eo anoloan’ny Cité Valpinson io vola 6 tapitrisa Ar io kanjo niharan’ny fanafihana narahina vonoan’olona. Latsa-dranomaso ny fianakavian’ireo niharam-boina taorian’ny didim-pitsarana.

Sajo

Partager sur: