Nanao fanambarana fanehoana fiaraha-miory ary nankahery ireo niharam-boina noho ny rivodoza Alvaro ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Niantso ny rehetra hifanome tanana ny tenany ary ho mailo fa vao manomboka ny fotoanan’ ny rivodoza.
Hampiasa ny volan’ny Vondrona eoropeanina (UE) ny Ceni amin’ny fikarakarana ny fifidianana depiote sy ny ben’ny Tanàna. “Efa nomanina ho amin’ ny fifidianana filoham-pirenena io saingy tara. Nampanantena ny hanome izany amin’ireo fifidianana roa sosona izy ireo”, hoy ny Ceni.
Hatao etsy amin’ny FJKM Analakely, ny alahady 21 janoary, ny famindram-pitantanana eo anivon’ny FFKM. Handray izany amin’ity taona ity ny filohan’ny FLM, ny Dr Rakotozafy Denis, raha nisahana izany teo aloha, ny filohan’ny FJKM, ny Dr Andriamahazosoa Irako Ammi.
Hiarahaba ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, ny vehivavy eo anivon’ity antoko ity ho an’ny faritra Analamanga, rahampitso. Niantso ireo vehivavy mpomba ny filoha teo aloha koa izy ireo mba hanatrika izany eny Faravohitra.