Manodidina ny 79 dolara ny vidin’ny solika iray barila, eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tsy mitsaha-midina io vidiny io, nanomboka ny volana oktobra teo, izay efa nahatratra 94 dolara. Anisan’ny mahatonga izany ny adin’Israeliana sy ny vondrona palestiniana Hamas, ka mihena ny fanjifana.
Miisa 85 ny olona niofana ny fiompiana trondro any Toliara, ny 28 sy 29 desambra teo. Vonona ny hiroso avy hatrany amin’ny fiompiana ny 18 tamin’izy ireo, ka nanoratra anarana. Anisan’ny niofanan’izy ireo ny fiompiana ankapobeny, ny famokarana zana-trondro, ny sakafo, ny famantarana ny fananahana (lahy sy vavy), sns.
Mahatratra 406 389 kilao ny vary masomboly nozarain’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), tamin’ny taona 2023 teo. Miisa 44 741 ny tantsaha nisitraka izany, ao anatin’ilay tetikasa Purpa, avy amin’ny Tahirimbola hampandrosoana ny fambolena (FDA), tantanin’ny minisitera Minae.
Manodidina ny 2 400 Ar ny kilaon’ny katsaka amin’izao fotoana izao. Fotoana mahavitsy azy satria amin’ny volana febroary vao tena miakatra ny vokatra, nambolena ny oktobra 2023 teo. Izany hoe, mitovitovy amin’ny vidim-bary ihany koa, izay 2 600 Ar ny vidin’ny iray kilao farany ambany eny an-tsena.