Fampiaraham-peo miavaka no hisantatra ny sehatry ny Piment Café Behoririka, anio alina. Hifampizara sehatra amin’izany i Bebey sy Benny ary i Nini. Tsy zovina amin’ny mpankafy azy ny seho sy ny mozikan’ireto mpahay kanto mpihira ireto. Vonona ny mpikarakara sy ny mpanakanto hanome ny tsara indrindra ho an’ny mpankafy azy ireo.
Tafaverina an-tsehatra indray i Teddy Prezeau, taorian’ny fotoana lavalava tsy nahitana azy. Hanatanteraka seho eny amin’ny Santilo Anosizato ity mpahay kanto mpihira ity, anio. Handravaka izany fampisehoana izany ireo hira nahafantarana azy hatramin’izay. Hisy ihany koa ny fihirany ireo fampiaraham-peo niarahany tamina mpihira malaza.
“Jacques Rabemananjara, Oeuvre Poétique”. Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny velankevitra, iarahana amin’i Elie Ramanankavana, mpaka sary pika, iresahana mahakasika ny boky “Jacques Rabemananjara, Oeuvre Poétique”, nosoratan’i Dominique Ranaivoson.
“Les Samedis de la Fondation H”. Atrikasa mahakasika ny fanenomana, araka ny fomba fanenoman’i Madame Zo, no karakarain’ny Fondation H, ho an’ireo liana amin’izany. Madame Zo na Razakaritrimo Zoarinivo, ilay Malagasy mpanenona nisongadina ary anisan’ny nampitolagaga vahiny maro.