Hiverina an-dakilasy ny mpianatra amin’ny ambaratonga rehetra manomboka ny alatsinainy izao, hanohy ny roa volana fahatelo. Herin’ny taom-pianarana ny roa volana fahatelo sy fahefatra, hoy ny mpanabe ka mila mifantoka tsara ny mpianatra. Eo no mamita ny lesona anatin’ny fandaharam-pianarana ho an’ny taranja rehetra fa fizarana no atao betsaka ho an’ny roa volana farany.
Vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro, efa mijery ny vahaolana ahazoan’ny mpianatra manohy ny fianarany ny tomponandraikitra any an-toerana, amin’ireo efitrano fianarana 51 tsy manana tafo intsony. Faritra maromaro any Atsimo Andrefana sy Atsimo Atsinanana no tena voa mafy.
Mampahafantatra ny masoivoho japonais fa ny “espace Japon” ao anatin’ny faritry ny masoivoho dia misokatra ho an’ny besinimaro, manomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma. Entanina ireo mpianatra teny japonaise hitsidika, satria manana boky fianarana isan-karazany toy ny Minna No Nihongo, Marugoto, Yasashii Nihongo, Nihongo Shoho, izy ireo, manome fanohanana feno amin’ny fianarana teny japonaise.
Foana avokoa ny filazana fampitandremana amin’ny alondrano sy ny hamafin’ny rivotra any an-dranomasina, vokatry ny fisian’ilay rivodoza Alvaro nandalo teto Madagasikara. Efa niverina amin’ny volonandro fahavaratra ny toetry ny andro nanomboka omaly, manerana ny Nosy.