Fifanintsanana “Afrobasket 2025” : tsy afaka miatrika ny lalao i Mathias M’Madi

Hotanterahina eto Madagasikara, manomboka ny 15 – 19 janoary ho avy izao, ny lalao fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Afrobasket 2025”. Tsy navelan’ny kliobany hiatrika izany i Madi.

Nihena iray ny lisitr’ireo Ankoay, Malagasy mpilalao, sokajy “senior” lehilahy, araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB), omaly. Ilay Malagasy mpilalao basikety, Mathias M’Madi no tsy afaka hiatrika ny lalao fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Afrobasket 2025”. Fifaninanana izay hatao eto Madagasikara, ny 15 hatramin’ny 19 janoary ho avy izao.
Raha ny fanazavana azo tamin’ny FMBB, tsy nahazo alalana tamin’ny kliobany vaovao, Seward County Saints Etats-Unis, ity Malagasy mpilalao ity. Hatramin’izao, tsy mbola misy anarana nomen’ny federasiona hanoloana ny toeran’i M’Madi. “Ny tranga toy izao no hanaovana ny lisitra ho 15”, hoy ny tale teknika nasionaly eo anivon’ny federasiona. Marihina fa mianatra “sport étude” any Etats-Unis i M’Madi. Vao haingana izy no sitrana, taorian’ny ratra nahazo ny lohaliny. Tsara ny mampahatsiahy fa mpilalao mendrika nandritra ny “Afrobasket U18 2022”, izay natao teto an-toerana, i Mathias M’Madi. Voahosotra ho mpilalao mpampiditra baoliana be indrindra “Meilleur Marqueur” izy, nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial U19”, izay natao tany Debrecen Hongrie, ny taona 2023 lasa teo.
Ankoatra izay, miisa 14 izany sisa ireo mpilalao anatin’ny lisitry ny Ankoay. Miisa roa ireo mpilalao mila ravinahitra any ivelany, ao anatin’izany. Anisan’izany i Lahontan Rija, PSB France sy Raza­namahenina Kiady, Lyonso France. Mpilalao 12 no ho voatazona farany ka hiatrika ity lalao fifanintsanana ity.

Fitia Randria

Partager sur: