Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Besalampy tao amin’ny fokontany Ambohipisaky, ny faran’ny volana desambra lasa teo, ny olona efatra voarohirohy tamina halatra omby sy fakana an-keriny. Nahazo antso ny polisy momba ny fisiana trangana halatra omby ao Andranomamenty, fokotany iray, 5 km miala an’i Besalampy. Raikitra ny fikarohana ireo omby very tamin’ny alalan’ny fanarahan-dia nataon’ny polisy nampian’ ny fokonolona tao an-toerana. Hita tao amin’ny fokotany Ambohipisaky ireo omby very rehetra, ny alahady faran’ny taona teo. Tsy hita kosa anefa ireo malaso tompon’antoka tamin’izany. Tamin’io alahady io ihany anefa, niverina tao amin’ireo tompon’omby indray ireo dahalo ka naka an-keriny ankizilahy iray 14 taona. Nitaky vola 2 tapitrisa Ar sy ny famerenana ireo omby efa tafaverina amin’ny tompony indray ireo malaso.
Tsy ampy taona
Nametraka ny vela-pandrika rehetra ahafahana manavotra ity takalonaina ity ny polisy. Nahitam-bokany izany satria tratra ireo dahalo efa-dahy. Avotra soa aman-tsara ihany koa ilay ankizilahy tany am-pelatanan’ny dahalo. Nogiazana avokoa ireo fitaovam-piadiana nampiasain’ireo dahalo, toy ny lefona sy ny famaky. Nomarihin’ny polisy fa mbola tsy ampy taona avokoa ny telo tamin’ireto voasambotra ireto.
Fa nitrangana halatra omby ihany koa tao Mangotroky, kaominina an-drenivohitr’i Maintirano, afakomaly hariva. Omby iray no lasan’ ireo malaso saingy efa maty voatetika tamin’ny fotoana nahatongavan’ny polisy sy ny fokonolona.
Jean Claude