Fitantanana eny ifotony : tsy manaiky ny mety ho fametrahana PDS ny TIM

Mitaky ny hanarahana ny Lalàmpanorenana ny eo anivon’ny antoko Tim. Anisan’izany ny tokony hifidianana ny ben’ny Tanàna fa tsy hametrahana PDS.

Nambaran’ny filoha na­si­o­na­ly, Ravalomanana Marc, omaly, teny Fa­ra­vo­hitra, fa ho tapitra amin’ity volana ity ny fe-potoam-pia­san’ny ben’ny Tanàna. No­tsi­ahiviny fa efa nilaza mialoha izy ireo ny volana aogositra 2023 ny amin’ny tokony hanaovana ny fifidianana ireo ho mpitantana ny kaominina. “Tsy tanteraka izany fa tonga ihany ity ny volana janoary… Mitetika ny hametraka olom-boatendry (PDS) indray ireo na hanao fanalavam-potoana…”, hoy izy. Nohamafisiny fa olom-boafidy amin’ny alalan’ ny fifidianana ara-dalàna no mitondra eny anivon’ny kaominina. Tsy azo ekena ny fametrahana olom-boatendry na fanohizan’ny olom-boafidy efa lany daty. Resabe fotsiny ny fitsinjaram-pahefana hirahirain’ny mpitondra manoloana ny zava-misy ankehitriny, araka ny nambarany.

Tsy faly
Manoloana izany, niantso ny antoko politika sy ny fiarahamonim-pirenena ho mailo sy hanohy ny tolona ny tenany, manoloana izao tsy fanarahan-dalàna izao. “Hiaraka hanohitra izany tsy ara-dalàna izany isika…”, hoy izy.

Etsy andaniny, nilaza ho tsy faly amin’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena koa ny filoha nasionalin’ny Tim manoloana ny tranga niseho teto amin’ny firenena ireny. “Tsy nampihetsi-bolomaso azy ireo firy ireny ka nahatezitra anay”, hoy izy. Nambarany fa hiresaka mivantana amin’ny any Etazonia na i Bruxelles momba ny fifidianana farany teo sy ny tsy fisian’ny demokrasia na koa ny tsy fanajana ny zon’olombelona eto amintsika ny tenany.

Synèse R.

Partager sur: