FANENDRENA MINISITRA : “Tokony hahafehy ny teknika sy politika ny ho minisitra”

Voatendry ny Praiminisitra Ntsay Christian. Ahoana ny fandrafetana ny governemanta vaovao? “Tsy maintsy ma­ha­fehy ny lafiny teknika izany, fa olona tsy maintsy mahafehy ihany koa ny lafiny politika”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote IRD, Rakotondrasoa Fetra. Mazava ho azy fa afa-miara-miasa amin’ny filohan’ny Repobika; faharoa, afa-kametraka malaky an’ireo fampanantenana noresahiny mba hisian’ny karazana fahamarinan-toerana politika mialoha ny hahavitan’ny fifidianana solombavambahoaka ha­ma­ritra indray ny maro anisa vaovao eo anivon’ny Ante­ni­mie­rampirenena.
Tsy mahazo manao fahadisoana ny olona voatendry amin’izany toerana izany, fa tsy maintsy mahomby amin’ izay andraikitra raisiny satria maika ny fampandrosoana. Anisan’ny fanakianana lehibe nataon’ny mpanohitra tamin’ ny filohan’ny Repoblika nandritra ny fe-potoam-piasana voalohany ny tsy fahavitan’ireo minisitra ny andraikiny araka ny tokony ho izy. Dia mifatratra any amin’ny filo­han’ny Repoblika avokoa ny rihitra amin’ny tsy fahombiazana. Efa nisy fanambaran’ny filohan’ny Repoblika hoe andry telo lehibe no laharam-pahamehana sy hifantohan’ny asa hotanterahina amin’izao fe-potoam-piasana faharoa nahavoafidy azy izao. Ny di­kan’izay, governemanta afa-kanatanteraka an’ireo andry telo hitondrana fampandrosoana an’i Madagasikara ny governemanta hijoro eo.

R. Nd.

Partager sur: