FANTINA sy FINTINA

Maherin’ny 60 ireo depiote tonga teny Iavoloha, afakomaly, tamin’ny fampahafantarana
ny fanendrena indray ny praiminisitra Ntsay Christian. Efa nampoizina kosa ny tsy naha teo an-dRazanamahasoa Christine sy Razafitsiandraofa Brunelle ary ny depiote Rossy.

Mitsipaka ny fanjanahantany ankolaka sy mivantana ny eo anivon’ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana (HMF), araka ny nambaran’izy ireo. “Tsy mitombina ny filazana fa tsy tia vazaha izahay… Tsy azo atao ny mankahala saingy tsy omenay ny tanindrazanay”, hoy izy ireo.

Nifanesy ny fiarahaban’ireo mpikatroka Tim ny filoha nasionaly, Ravalomanana, omaly teny Faravohitra. Anisan’izany ny avy eny Atsimondrano sy Avaradrano, Ambohidratrimo, Ambohitrimanjaka, Alasora… Samy nanamafy fa vonona hiatrika fifidianana rehetra avokoa izy ireo.

Hoentina am-bavaka any Frantsa, ny 21 janoary izao, ny fialantsasatry ny fanahin’ilay mpanakanto sady mpitolona, i Ninie Doniah. Hitarika ny lamesa amin’izany ny eveka, ny Mgr Botsy Ferdinand. Hitohy amin’ny fiaraha-misakafo sy seho hataon’ireo mpanakanto namany.

Partager sur: