Tsy ao anatin’ny lahadinika nofaritan’ny UCTU amin’ny fivoriambeny ny saran-dalana. Hatao ny talata 9 janoary ho avy izao izany, ka voafaritra ao ny fampahafantarana ny lalàna
Edgar, mahakasika ny fitaterana an-tanàn-dehibe, ny zava-bita sy ny hoavin’ny fikambanana ary
ny toe-bola. Azo resahina kosa anefa ny saran-dalana, izay niakatra 100% ny saram-pitiliana ara-teknika.
Miisa 6 000 ny karatry ny tantsaha mpamokatra nozaraina any amin’ny faritra Sava, ny 4 janoary tao. Nisantarana azy ny tany amin’ny distrika Andapa, tany amin’ny fokontany Ambodivohitry, kaominina Ambalamanasy II. Miavaka ity natao ity, satria karatra niomerika manaraka ny vanim-potoana, ka voaray anaty ordinatera ny antontam-baovao momba ny tantsaha tsirairay.
Tonga any Ambovombe Androy, omaly, ny milina miisa roa, mamokatra herinaratra. Manana tanjaka 200 KW sy 160 KW izy ireo, hanampy ny milin’ny orinasa Jirama efa any an-toerana. Azo antoka fa ho foana tanteraka ny delestazy ao an-tampo-tanànan’Ambovombe sy ny manodidina. Solika no manodina ireo milina ireo.