Kitra – «Grand Tournoi d’Antananarivo»: ho fantatra rahampitso ireo hanao ny famaranana

Hotanterahina eny By Pass ireo lalao manasa-dalana roa, hiadiana ny «Grand Tournoi d’Antananarivo», taranja baolina kitra. Ho fantatra rahampitso izay hanao famaranana.

Ho fantatra rahampitso alahady, etsy amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium, By-Pass, izay ekipa roa hiatrika ny famaranana amin’ny “Grand Tournoi d’An­ta­nanarivo”, taranja baolina kitra. Hiady izany ny US Pro sy ny Elgeco Plus ary ny Ajesaia sy ny Disciples FC. Hango­traka ny fihaonana satria hidona ny samy sangany.

Hanohitra ny ekipa tompon-jaridaina ny US Pro, hany ekipa tsy ao anatin’ny “Pro league”, tafita amin’izao dingana izao. Manana tombony ny Elgeco Plus, raha ny zava-bita. Efa manana traikefa rahateo ireo mpilalao ao aminy. Efa zatra fihaonana goavana toy izao. Etsy ankilany, vonona hanohitra azy ireo ny US Pro, na tsy manana ireo mpilalao kalaza aza. Heve­rin’izy ireo ho herijikany ny fananana tanora kinga sy havanana.

Anisan’ny fihaonana an­drasan’ny rehetra kosa ny an’ny Ajesaia sy ny Disciples FC. Ekipa diso mifankahalala tsara ny roa tonta. Efa tany amin’ny 2 taona lasa ny fihaonana farany teo amin’izy ireo, tamin’ny dingana toy izao, niadiana ny amboaran’i Mada­ga­sikara. Resin’ny boaikelin’An­tani­katsaka tamin’izay ity ekipan’i Vakinankaratra ity, ka hanala vela izy ireo, eto.

Tsy zoviana amin’ny mpijery intsony ny fahaiza-manaon’ny andaniny sy ny ankilany. Sa­my manana ny fomba filalaony avy izy ireo ka ho resy izay manao antsirambina sy fahadisoana. No­tsi­ahivin-dRa­ko­toarimanana Henintsoa (Tôta), filohan’ny ligin’Anala­manga, fa miditra amin’ny fa­nalavam-potoana ny ekipa raha sahala ao anatin’ny 90 mn ary raha tsy mbola misy mpandresy dia fa­ranana amin’ny fandakana ny “tirs au but”.

Tompondaka

Partager sur: