Rugby – AROI : hosantarina ny lalao ho an’olona 10

Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina atsy La Réunion, ny 8 sy 9 marsa ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, taranja rugby, ho an’ny sokajy U18 sy U16. Fifaninanana karakarain’ny Association du rugby de l’océan Indien (AROI ). Hampiavaka ity andiany ity, ny fisantarana ny rugby ho an’olona 10. Amin’izao voalohany izao, mbola natokana ho an’ny U16 lehilahy. Mijanona ho lalao ho an’olona 7 kosa ny an’ny sokajy U18, lahy sy vavy.

Ho fiomanana amin’izany, hisy ny fifaninanana fifantenana ireo ankizy handrafitra ny Makis de Madagascar, hatao eny Andohatapenaka, ny sabotsy 13 janoary ho avy izao. Masontsivana hakana azy ireo, ny halavana sy ny haben’ny vatana ary ny hafainganam-pandeha. Heverina hanomboka ny 15 janoary ny fanombohan’ny fampivondronana. Raha tsiahivina ny vokatra azon’ny Makis, nandritra ny fifaninanana farany, tompondaka U18 teo amin’ny rugby ho an’olona 7, tompondaka lefitra ny U16, samy teo amin’ny sokajy lehilahy avokoa.

Tompondaka

Partager sur: