Misaona indray ny tontolon’ny basikety malagasy. Nodimandry ny alakamisy lasa teo, i Coach Moralily, mpanazatra ao amin’ny MB2ALL. Efa nilalao tao amin’ny Cosfa izy fahiny ary efa nitondra avo ny ekipam-pirenena malagasy. Izahay ato amin’ny gazety Taratra dia mankahery ny fianakavian’i Coach Moralily manontolo.
Tsy mbola manana fanapahan-kevitra i Kylian Mbappé, frantsay mpilalao baolina kitra, amin’ny tohin’ny fifanarahana eo aminy sy ny klioba Paris Saint Germain (PSG) France. Ity kintan’ny baolina kitra frantsay ity, nomen’ny Real Madrid Espagne tolotra goavana ary tokony hovaliny izany amin’ny herinandro ho avy izao.
Manana herijika ny hanohy ny fifanarahany amin’ny Manchester United Angleterre, i Raphael Varane, vodilaharana frantsay amin’ny baolina kitra. Marihina fa manana fahatokisana amin’ity frantsay ity tanteraka i Erik Ten Hag, mpanazatran’ny Manchester United.
Norombahin’i Cristiano Ronaldo, mpanjakan’ ny baolina kitra portiogey, ny amboaran’ny “Maradona Award” izay nokarakarain’ny Globe Soccer. Marihina fa ity mpilalao ity no mpampiditra baolina be indrindra maneran-tany, tamin’ny taom-pilalaovana 2023. Tsiahivina fa efa nandrombaka ny baolina volamena “Ballon d’or” indimy ny tenany.