Jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana lavon’ny zandary tao Ambodijambarao, kaominina Manatatsandry, distrikan’i Marovoay, afakomaly. Mpangalatr’omby nifampitadiavana am-bolana maro ity nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana ity. Efa voasambotra ilay dahalo. Namita sazy saingy izao niverina nanao ny asa ratsiny izao indray. Nitsongo dia sy nanara-dia azy, noho izany, ny miaramila sy ny zandary miasa ao an-toerana ka nahatazana ireto farany. Nitifitra variraraka io olon-dratsy io. Lavon’ny bala io dahalo io taorian’ny fandavany ny fampitandremana nataon’ny mpitandro filaminana azy. Raha tsiahivina, matetika hitrangana halatra omby miharo vono olona tao amin’ny distrikan’i Marovoay, tamin’ny taon-dasa teo. Tafiditra anatin’ny laminasa vaovao ataon’ny mpitandro filaminana ao an-toerana, araka izany, izao vokatra nahafatesana dahalo izao.
Tsiferana R.