Lavon’ny mpitandro filaminana ny dahalo telo lahy mpanakan-dalana amin’ny RN4, tao Analakida fokontany Mahatazantsoa, kaominina ambanivohitra Andranofasika, afakomaly alina. Nikononkonona fanafihana, nifanehatra tampoka tamin’ny zandary mpanao fisafoana alina ireo olon-dratsy. Nanapoaka basy avy hatrany ireto farany. Raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Vokany, voan’ny balan’ny zandarimaria ny telo lahy. Nandositra ny namany hafa izay tompon’antoka. Nandray anjara nivantana tamin’ny fanakanan-dalana sy fandrobana teny amin’io lalam-pirenena io ireto olon-dratsy ireto, ny 21 desambra 2023 teo. Efa tafaverina tamin’ireo voaroba ny ankamaroan’ny entana ka nahafahan’ny mpitandro filaminana nanamarina fa anisan’ireo nanafika ireo telo lahy lavo ireo. Tsy vitan’ireo, nanafika fiara nandalo tao Befotoana, kaominina Marosakoa, koa ireo dahalo ireo, ny 29 desambra lasa teo. Mitohy ny hazalambo ataon’ny mpitandro filaminana ireo dahalo manakan-dalana amin’ny RN4.
Tsiferana R.