Antsenakisoa: basy iray hita tao anaty sakaosy

Hitan’ny polisy tao anaty sakaosy iray, tao Antsenakisoa Tsiroanomandidy, faritra Bongolava, ny basy vita tanana, famaky, mohara, niaraka tamin’ny odiratsy marobe, ny sabotsy teo. Nanao fisafoana mandeha an-tongotra, toy ny fanaony, ireo polisy no nahatsikaritra olona hafahafa tao Antsenakisoa, tamin’io fotoana io. Nandositra avy hatrany ilay lehilahy nitondra io sakaosy io raha vantany vao nahita ieo polisy nanatona azy. Najanony kosa ilay sakaosy nentiny. Niezaka nanenjika azy ihany ny polisy saingy tafaporitsaka tao anaty olona izy. Niroso tamin’ny fisavana ilay sakaosy ny mpitandro filaminana ka nahitana karapanondro iray, basy vita tanana iray, moara sy odiratsy marobe ary famaky. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny polisy ka fantatra fa jiolahy avy nandroba mpivarotr’omby tao Avaratsena Tsiroanomandidy, ny 2 septambra 2023 teo, ny tompon’ity karapanondro tao anaty sakaosy ity. Lasan’io jiolahy amin’ny karatra io ny vola mitentina 36 tapitrisa Ar, saingy tsy hita kosa izy taorian’izay. Malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana ao amin’ny faritr’i Bongolava rahateo ity malaso ity, raha ny tatitra voaray avy amin’ny polisy.

J.C

Partager sur: