Mbola vao antontan-taratasy telo ihany amin’ ireo mitady toeran’ny minisitra no voaray eny Ambohitsorohitra, ny faran’ny herinandro teo. Voalaza fa solontenan’ny kandidà miisa roa tamin’ny fifidianana teo ny sasany amin’ireo, araka ny loharanom-baovao.
Mety hatao eo anelanelan’ny marsa sy jona ny fifidianana depiote, araka ny nambaran’ny Ceni, ny mpampakateny, i Soava Andriamarotafika. “Irinay izany ary hatolotra ny governemanta… Mety hiroso anefa io daty io raha ravan’ny filoha ny Antenimiera”, hoy izy.
Hiroso amin’ny fakan-kevitra tsy ho ela ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany, momba ny famaritana ny fizarana seza ho an’ireo mpanolotsaina amin’ ny fifidianana ben’ny Tanàna. Hisy ny kajy hitsinjarana izany, saingy mbola iaraha-midinika amin’ny mpanao politika.
Tokony hofaranana amin’ity taona ity, ny tolom-panafahanana 1947, ka antony ijoroan’ny Antenimieran’ny ray aman-dreny foko (ARFM). Nambaran’izy ireo fa tsy azo ekena ny fitantanan’ny mpanjakana ny firenena. “Efa nanary ny zony ny filoha”, hoy izy ireo.