“Live Stream” miaraka amin’i Andri Toubi Ben. Antsan-kira fiderana ampitain-davitra no hatolotr’ity mpanakanto ity, ny zoma 12 janoary, manomboka amin’ny 8 ora alina. Azo arahina mivantana amin’ny pejy Facebook sy ny canal Youtube-n’ny Radio Oasis izany. Natao mba hahafahan’ny rehetra maneran-tany manaraka ny seho .
Nizara ny fahitany sy ny faharesen-dahany, mahakasika ny asa soratr’i Jacques Rabemananjara, voarakitra ao anatin’ny boky «Jacques Rabemananjara, l’œuvre poétique», i Elie Ramanankavana, mpaka sary pika, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely. «Tsapako fa omaly dia efa rahampitson’ny haisoratra Malagasy» hoy i Elie R.
“Raha teo ianao tsara. Raha tsy teo ianao tsy tara” hoy ny Madagaslam, nandritra ny vaky sehatra 2024 nataon’izy ireo voalohany, teny amin’ny IFM Analakely, ny faran’ny herinandro teo. Nisokatra ho an’ny rehetra ny fandraisana anjara.
Misokatra ho an’ny mpankafy sy ny mpisehatra eo amin’ny dihy sy ny hira ary ny “Waacking”, indray ny “Projet Dihy”, eny amin’ny Maison sociale des Arts Ambatovinaky, manomboka ny 10 janoary izao. Ny Mad’Anim no miara-miasa amin’izy ireo
amin’ity hetsika ity.