« Afrobasket 2025 »: nanomboka omaly ny fampivondronana ny Ankoay

Hotanterahina eto Mada­gasikara, manomboka ny 15 hatramin’ny 19 janoary ho avy izao, ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Afrobasket 2025”. Raha ny vaovao voaray tamin’ny Federasiona malagasin’ny Basikety (FMBB), efa natomboka, omaly, ny fampivondronana ireo mpilalao miisa 14 mirahalahy mandrafitra ny elipa-pirenena malagasy.
Raha ny fantatra, hivoaka tsy ho ela ny anaran’ireo mpilalao 12 voatazoana farany. 15 ny mpilalao nantsoin-dRavonimbola Alphonse Ma­rie Jeannot, Malagasy mpanazatra ny Ankoay. Nihena iray izany rehefa tsy afaka i Mathias M’Madi, milalao any Etazonia. Tsy nahazo alalana tamin’ny kliobany. aovao, Seward County Saints Etats-Unis izy. Antony, noho izy vao aingana no nifindra tao amin’ity ekipa ity.
Misy mpila ravinahitra any ivelany, miisa roa ao anatin’ny Ankoay: i Lahontan Rija, PSB France sy Raza¬namahenina Kiady, Lyonso France.

Fitia Randria

Partager sur: