Sombim-baovao

Romain Métanire, Malagasy vodilaharana, niverina manoman-tena ao amin’ny Seriousballer any Etats-Unis, rehefa niala tao amin’ny RFC Seraing, ny herinandro lasa teo. Tsy manana klioba, araka izany, i Métanire. Marihina fa ity Malagasy mpilalao ity, anisan’ireo manana ny lanjany amin’ny toeran’ny vodilaharana ankavanana.

Razafindrasata Tsito, Malagasy mpilalao baolina kitra, hilalao ao amin’ny klioban’ny St Denis, la Réunion. Marihina fa ny ekipan’ny USS Tamponnaise no nilalaovan’ity Malagasy mpilalao ity taloha. Tsara ny mampahafantatra fa hiaraka hilalao ao amin’ity ekipa ity izany i Tsito sy Berajo, Malagasy vodilaharana.

Niakatra kianja ny sabotsy lasa teo, nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Espagne «Copa Del Rey», i Arda Guler, mpilalaon’ny Real Madrid FC. Lavon’ ity ekipa ity, tamin’ny isa 3 no ho 1, ny ekipan’ny Arandina, klioba diviziona fahefatra any Espagne. Marihina fa tsy nahatafiditra baolina i Arda Guler tamin’ity fihaonana ity.

Partager sur: