Atletisma – «Cross country»: hisy fifaninanana hifantenana izay ho any Croatie

Hiditra an-tsehatra ireo kalazalahy manerana an’i Madagasikara, amin’ny taranja «cross country», ny faran’ny herinandro ho avy izao. Hiady ny tapakila hiatrehana ny ho tompondaka maneran-tany, hatao any Croatie.

Araka ny fantatra, hotanterahina amin’ny sabotsy 13 janoary ho avy izao, eny amin’ny Bout de Piste Ivato, ny hazakazaka «Cross country», karakarain’ny federasiona malagasin’ny atletisma (FMA). Hanana ny lanjany goavana izany, satria hifantenana izay hisolontena an’i Mada­gasikara eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, hatao any Croatie, ny 11 sy 12 febroary ho avy izao.
Natokana ho an’ny sokajy «séniors» lehilahy. Antony, tapakila iray ihany no azon’ny federasiona. Tsy maintsy nosafidina izay sokajy manana herijika handrombahana fandresena. Niantefa tany amin’ny lehilahy ny safidy. Tsiahivina fa tsy afaka niatrika izany ny Malagasy tamin’ny taon-dasa. Tsy fahampian’ny enti-manana sy ny fahateren’ny fotoana ary ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy no sakana. Hiaro ny anaram-boninahitra azony amin’ity i Voninahitsy Clément, atletan’ny Cosfa, tompondaka farany.
Hangotraka ny fihaonana satria efa azo antoka fa tsy maintsy mandeha izay ho voalohany. Hifampitady tanteraka ireo kalazalahy amin’ity taranja ity.
Manoloana izany, nanao antso avo ho an’ireo seksiona 5 eo ambany fiahiany ny ligin’Analamanga, hiomana dieny izao. Antananarivo Renivohitra, Ambohidratrimo, Atsimondrano, Avaradrano ary Manjakandriana. Notsiahivin’ny filohan’ny ligin’Analamanga fa efa tafiditra sahady ao anatin’ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny Cross country, tanterahina any Ambatondrazaka ny 5 marsa ho avy izao, ity hotanterahina etsy amin’ny Bout de Piste Ivato ity.

Tompondaka

Partager sur: