Depiote Johasy Eléonore : “Mila manova fomba fiasa ny governemanta eo”

“Fantatra fa misy lalan-tsaina na toromarika vaovao momba ny sosialim-bahoaka mivoaka. Ny Praiminisitra Ntsay Christian ve no heverina fa hahatafavoaka sy hahatanteraka an’izay?”. Io no fanontanian’ny depiote tsy miankina voafidy tany Vangaindrano, i Johasy Raharisoa Eléonore. Eo ny fanamafisana ny toekarena amin’ny alalan’ny fanorenana sy fanohanana ny orinasa eo amin’ny sehatra tsy miankina. Eo koa ny fitondrana tsara tantana, nefa maromaro ny lesoka hita tamin’izany. Momba ny fitondrana tsara tantana, ohatra, tsy mbola hita ny tena fitsinjaram-pahefana. Mbola lavitr’izay lazaina ny zava-misy amin’izao amin’ny fanomezana fahefana sy fijerena ny eny ifotony.
Tsy nanaiky ny andraikitra apetraky ny Lalàmpano­re­nana amin’ny fanaraha-mason’ny parlemanta ny asany ny governemanta teo aloha. Tamin’ny fivoriana ara-potoana farany teo, tsy nanaiky hifanatrika amin’ny Antenimiera­m­pirenena amin’ny fametraham-panontaniana ny governemanta. Tokony hisy fanovana ny fomba fiasa ny amin’izay. Tsy azo ihodivirana ny fifanatrehana fa voasoratra ao anatin’ny Lalàmpa­no­re­nana. “Takina ny fanarahan-dalàna raha tena fanjakana tan-dalàna sy tsara tantana no tiana hapetraka”, hoy izy. Ao anatin’izay koa ny adihevitra ifanaovan’ny parlemanta sy ny governemanta, izay tsy nisy koa teo aloha. Asa, mba efa hiova izay fomba fiasa izay? Tokony hojerena akaiky sy hasiam-panovana izay fifandraisana eo amin’ny andrimpanjakana roa tonta izay.

R. Nd.

Partager sur: