Fampiharana lalàna: mitsipaka ny fitanilana ny antoko MMM

Naneho hevitra ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo, omaly. Nambarany fa tena mibaribary ny fitanilana amin’ny fampiharana ny lalàna.

“Tsy mba voakasika na voakitika ireo tafiditra amin’ny raharaha maloto rehefa olona akaiky ny mpitondra na iray antoko aminy”, hoy izy. Noraisiny ho ohatra amin’izany ny momba ilay “Raharaha vary simba” tany Mahajanga sy ny momba ilay tany eny Isahafa, Anosy Avaratra eny Avaradrano. Manampy izany koa ilay raharaha nahabe resaka momba ny solika mitapoka tany Toamasina.

Tsy nosamborina na nohadihadiana
Etsy andaniny, tsy mbola levon’ny vavonin’ny MMM na koa ireo kandidà niara-dia taminy (C11) ny tsy fitohizan’ny fitoriana nataon’izy ireo. Anisan’izany ny momba ilay fanimbana fananan’olona teny Andavamamba, ny volana oktobra 2023. “Azo sary avokoa ireo nirahina hampisara-bazana ny Malagasy sy nanimba fiara… Tsy misy voasambotra na nohadihadian’ny mpitandro filaminana hatramin’izao”, hoy ihany izy.
Hentitra ny mpanorina ny MMM nanitrikitrika fa tsy misy Madagasikara mandroso ao anatin’ny kolikoly sy ny tsimatimanota izany. Ny vahoaka hatrany no tratra farany sy voafitaka, araka ny nambarany.

Synèse R.

Partager sur: