Toy ny ahoana ny namadihana tantara foronina (roman) ho tantara an-tsary? Ahoana ny safidy amin’ny sary, mba hamoaka manontolo ny aingam-panahin’ny mpamorona? Ampahany amin’ireo horesadresahan’i Dwa, ny sabotsy 13 janoary izao ireo, manomboka amin’ny 10 ora maraina, etsy amin’ny IFM Analakely. Ilay boky “Grand Frère” no horesahan’ity mpanao tantara an-tsary ity, mandritra izany. Nalaina tamin’ny boky tantara foronina, nosoratan’i Mahir Guven, izay nivoaka ny taona 2018, izy ity. Nifanena tamin’i Dwa ny mpanoratra, ka nangataka azy hamadika izany ho tantara an-tsary. Nivoaka ny volana novambra lasa teo ny “Grand Frère” amin’ny endriny tantara an-tsary, tao amin’ny edisiona Bulles dans l’Océan, tany Frantsa. Avy hatrany dia nahitam-pahombiazana ny vokatra, satria maro ireo efa namaky ny tantara foronina ka nangetaheta ny ahita amin’ny endrika tantara an-tsary. Aorian’ny resadresaka hifanaovana amin’i Dwa, hisy ny fivarotana sy fanaovana rangopohy ny boky, ho an’ireo liana.
Zo ny Aina