Mandeha ny fanatanterahana ny fametrahana Toby famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro, parc solaire, (PS), miisa 46. Anisan’ny hisitraka izany ny any Manakambahiny Ambatondrazaka, faritra Alaotra Mangoro. Nidina ifotony nijery ny toerana hananganana ny fotodrafitrasa ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), niaraka tamin’ny teknisian’ny Jirama, omaly 9 janoary. Nanatrika teo koa ny manampahaizana vahiny, hanangana azy.
Hamokatra herinaratra 500KWc ity toby PS any Manakambahiny Ambatondrazaka ity. Anisan’ny sangany maneran-tany amin’ny lafiny herinaratra mandeha amin’ny masoandro ny orinasa Huawei. Mpamokatra takelaka mandeha amin’ny herin’ny masoandro kosa ny orinasa LONGI, kalaza manerana izao tontolo izao, anisan’ny mpiara-miombon’antoka amin’ity tetikasa ity.
80% hatramin’ny 2030
Efa an-dalana ho tonga aty Madagasikara, ankehitriny, ny fitaovana sy ny kojakoja rehetra, ilaina amin’ny fananganana ny fotodrafitrasa.
Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny fanjakana, ny fampifandraisana ara-niomerika sy ara-angovo ho an’ny rehetra eto Madagasikara (Decim) izao. Tanjona ny hametrahana famatsian-jiro azo havaozina hatrany amin’ny 80% hatramin’ny taona 2030. Efa misy 32 ny PS apetraka, miampy ireo 46 hafa toy izao any Manakambahiny Ambatondrazaka izao.
Njaka A.




