Mamaky sehatra ny Fondation H, amin’ity taona 2024 ity, ny fampirantiana “Misy diso” an’i Cynthia Colney. Mitondra fahalalana, ahafantatra bebe kokoa ny maha malagasy sy i Madagasikara izany fampirantiana izany.
Manatanteraka fampirantiana ao amin’ny Fondation H, ao Paris Frantsa, i Cynthia Colney, Malagasy mpahay kanto manana ila Frantsay. Nanomboka omaly ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 10 febroary 2024 ny ranty. «Misy diso» no lohateny nampitondrainy ity hetsika ity. Tanjony, ao anatin’izao fampirantiana izao, ny hampiseho bebe kokoa ny mahamalagasy azy sy ny maha izy an’i Madagasikara.
Araka ny nambaran’ity mpahay kanto manao ny ranty ity, efa ela no nikolokolo sy namolavola izao fampirantiana izao ny tenany. «Ny fandalovako sy nahitako an’i Madagasikara indray ny janoary 2023 no niteraka ity tetikasa ity. Madagasikara izay nilaozako folo taona mahery. Tiako ny haneho sy hampahafantatra kokoa ny maha izy ahy, indrindra ny mahamalagasy ahy, izay vitsy mpahafantatra, amin’ny alalan’ny haikantoko sy ny asa tanako. Fotoana ihany koa namantarako misimisy kokoa ny fiaviako sy ny tantarako ity hetsika ity”, hoy i Cynthia Colney. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa “Mizaha Paris”, karakarain’ny Fondation H, izao hetsika izao. Fandaharanasa hanohanana sy hanomezana sehatra ny mpahay kanto tsy ankanavaka ho fanandratana sy fampiroboroboana ny haikantony.
Manasongadina ny vehivavy
Mpahay kanto, misehatra manokana eo amin’ny fanaovana hosodoko sy sary i Cynthia Colney. Maro ny sehatra efa nandalovany teo amin’ny sehatry ny asa ary firenena maro ihany koa no efa voatetiny. Ny taona 2021 izy no tapakevitra ny hifantoka tanteraka amin’ ny haikanto. Mampiavaka ny asa tanany ny fanasongadinana ny mahavavy sy ny maha izy ny singa iray, ravahin’ny marika sy nofinofy mankalaza ny hatsaran’ ny vehivavy sy ny natiora.
Lin