Taona 2024: ahiana tsy hisy fivelarana ny zavakanto

Miankina amin-javatra lehibe maro ny fivelaran’ny kolontsaina eo amin’ny firenena iray. Raha tsy misy mpijery, ohatra, ny rindrankira eny an-tsehatra, tsy hahita fivelarana ny mpanakanto sy ny zavakanto ataony. Rehefa tsy manana ny fahefa-mividy hi­anarana kabary, ohatra, ny tanora, azo antoka fa tsy hanana olon-dehibe mahay kabary ny fiarahamonina. Manao randra-mitarika tahaka izany avokoa ny tranga tahaka ireo izay tsy mampivelatra araka ny tokony ho izy ny zavakanto eto Madagasikara.
Taona 2024, hiakatra ve ny fahefa-manjifan’ny Mala­gasy ? Hatramin’izao, tsy mbola hita taratra. Ny taona rahateo vao miandoha. Hana­na fotoana, na hahafoy fotoana hanjifana ny kanto ve ny Malagasy ? Mety hihena tsy ho toy ny teo aloha izany, satria, sahirana amin’ny fitadiavana ny Malagasy. Ahina tsy ho tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanany loatra intsony ny miala voly sy ny zavakanto.

Sarotsarotra ho an’ny zavakanto ny hivelatra raha mbola tafaray samy mitsipozipozy sy mahantra ny mpahay zavakanto sy ny mpanjifa azy ireny. Io tranga io rahateo no mametraka tsy fidiny ny zavakanto tsy ho laharam-pahamehana. Raha tsy mahita mangirana ny fihariana ankapobeny eo amin’ny firenena iray, tsy hahita fivelarana ny kolontsaina ao aminy. Na, mety hivelatra ihany fa miankindoha lava amin’ny hafa.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: