Andriamarotafika Soava: “Hampanano sarotra ny fampiarahana fifidianana kaominaly sy depiote”

Ny fifidianana kaominaly sa ny fifidianana depiote no tokony hatao mialoha? Na azo ampiarahana izy roa… Maneho ny fijeriny ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava. Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Ahoana ny amin’ny fifidianana manaraka eo?
Andriamarotafika Soava (-): Raha ny amin’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna, amin’ity janoary ity no tapitra ny fe-potoam-piasany. Tany amin’ny desambra 2023 no tokony ho nanaovana ny fifidianana izany. Saingy noheverina fa hisy fihodinana faharoa ny fifidianana filohan’ny Repoblika, ka latsaka anelanelany izany raha natao. Ny dikan’izay, tsy maintsy miandry ny maintany vao azo atao ny fifidianana. Tokony ho alohan’ny fifidianana depiote ny fifidianana kaominaly. Any amin’ny volana jona ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny depiote.

* Azo ampiarahina ve ireo fifidianana roa ireo?
– Tsy misy antony tsy azo hampiarahana azy, fa amin’ny lafiny teknika: tsy maintsy mitady fomba fandrindrana asa goavana. Na eo amin’ny birao fandatsaham-bato aza: tsy azo atao tokana fa hafa amin’ny fifidianana kaominaly fa lisitra iray ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina ary hafa amin’ny depiote raha ampiarahana. Mety hampanano sarotra be amin’ny lafiny teknika izay. Ankoatra izay, ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana no miandraikitra ny fifidianana kaominaly, ary ny HCC no misahana ny fifidianana depiote. Sarotsarotra izay lafiny teknika izay. Tsy midika izany hoe tsy azo atao. Amin’ity volana janoary ity izahay no handinika an’izay mba hahazoana mamaritra izay hatao.

* Ahoana ny amin’ny hoe fifidianana depiote mialoha ny fotoana?
– Raha ravan’ny filohan’ny Repoblika mialoha, ohatra, ny Antenimierampirenena, tsy maintsy atao 60 andro aorian’izay ny fifidianana depiote. Na izany aza, tsy tokony hiandry ny fahataperan’ny fe-potoam-piasana ny fifidianana rehetra. Amin’ity janoary ity no tokony ho tapitra ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika, tsy maintsy natao araka ny lalàna hoe 30 na 60 andro mialoha ny fifidianana. Izay toe-tsaina izay koa no entina amin’ny fifidianana kaominaly sy ny fifidianana depiote. Ao anatin’ny fahavaratra no tsy ahazoana manao fifidianana kaominaly alohan’ny janoary. Tokony ho toy izay koa ny toe-tsaina amin’ny fifidianana depiote.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: